Dépêches

Foto-drafitr’asa : 1 325 tapitrisa dolara no tombam-bidin’ny fanamboarana ny lalana « Masoandro »

Dépêche 15 novembre, 15h, Hampitohy ny faritra Atsimo mamakivaky ny ilany Atsinanana, hatrany amin’ny ilany Avaratr’i Madagasikara iny ny lalana « Masoandro ». Faritra valo no ho voakasika’izany tetik’asa izany : Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Fitovinany, Vatovavy, Atsinanana, Analanjirofo, Sava ary Diana. Lalam-pirenena miisa enina ksoa no hasiam-panamboarana izay mitotaly 1 950 km. Mety ho maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fahavitan’izany lalana izany saingy amin’izao fotoana izao dia tsara jerena ihany koa ny fari-piainan’ny olona indrindra ireo Kere any Atsimo izay mizaka zavatra mafy noho ny tsy fisian’ny rano amin’izao fotoana izao.

Laisser un commentaire