ActualitésTatitra

Maurice : Ny taona 2023 no tena hanamarinana ny fizahantany hoy i Sen Ramsamy

Raha ny antontan’isa navoakan’ny Statistics Mauritius dia nandray mpizahatany 755 655 isa i Maurice teo anelanelan’ny volana janoary sy ony volna oktobra. Raha ny tanjona napetrakin’ny ministeran’ny fizahantany fena dia hahatratra 1 tapitrisa izany.

Nanazava i Sen Ramsamy tale jeneralin’ny Tourism Business Intelligence fa mbola misy ny fahafahana manatratra izany tanjona izany manoloana fampiakarana ny isan’ny sezan’ny fiaramanidina ary heverina fa mbola hioatra aza izany hoy izy. Na izany aza hoy io mpandalina io dia tsara refesina ny fahombiazana amin’ny vola ny fizahantany fa tsy amin’ny isa (en devises plutôt qu’en arrivées). Mila jerena ny fiantraikany «all inclusive» na «One Mauritius» hoy izy mba hahafahana mamaritra ny fizahantanin’ny ampitso.

Laisser un commentaire