ActualitésTsidika

Amboditandroroho Toamasina II : Iza no handravona ny olana eo amin’ny Filatex sy ny mponina ?

Mitohy hatrany ny olana eo amin’ny orinasa Filatex sy ny mponina any Toamasina II noho ny famefena tsy ara-dalana ataon’ny orinasa. Nongotan’ny mponina any an-toerana ny fefy ka nangonin’ireo mpiasa ny fefy izay niongotra ny 6 desambra teo.

Tsiahivina fa nahazo didy avy amin’ny fitsarana ny sabotsy lasa teo ahafahana miditra ny faritra izay nofefen’ny Filatex. « Tonga tety an-toerana ireo mpiasa nirahan’ny Filatex, angorona ireo ambina fefy tsy voapetaka rehefa nosakanan’ny fokonolona nanamainty molaly ny tany » hoy i Patrick, mponina any Amboditandroroho. « Ny mahagaga dia ny Polisy tena miaro fatratra sy miambina ny tany izay lazain’ny filatex fa azy, tsy mba manampy ireo mponina ety ifotony akory » hoy i Rindra, mpianatra monina any Toamasina.

« Tsy maka na iza na iza izahay fa kosa misoroka ny tsy hisian’ny ady, ary mametraka ny fandriam-pahalamena, ny fiambenana ity tany ity no paik’ady hametrahana ny filaminana fa tsy miditra amin’ny ady tany izahay fa miaro ny ain’olona sy ny tsy hisian’ny korontana fotsiny ihany » hoy ny avy ao amin’ny EMMO.

Tafiditra ao anatin’ny velirano nataon’ny filoha ny hamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro eo amin’io toerana io. Efa teny ierana ve izao sa mibodo tany fotsiny ny Filatex, ary namefy izany mihoatra ny tokony ho nalainy ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire