Ambohimangakely: Hisy ny fiofanana ho an’ireo mpilatsaka an-tsitra-po
Hisy ny fiofanana ho an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo , ao anatin’ny hetsika “fanatsarana fiainana” atolotry ny kaominina Ambohimangakely. ny alatsinainy 15 janoary 2024, amin’ny 2ora tolak’andro no hanatanterahana izany ao amin’ny Salle de marriage, kaominina Ambohimangakely ihany.
“Ho an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo fanatsarana fiainana dia hanatanetraka fiofanana ny kaominina ka entanina mba ho tonga maro ny rehetra ao anatin’izany satria zava-dehibe ao anatin’ny fanatanterahana ireo tetik’asa isan-karazany ny fanatrehana ny fiofanana izany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Efa ela no niandrasana izao asa izao, hisaorana ireo mpikarakara ary manantena fa hitondra fiovana sy fampandrosoana eo amin’ireo sehatra hiantefan’izany ny mponina” hoy i Ando, mponina ao Ambohimangakely.
Anisan’ny miara-miasa amin’ny kaominina, manatanetraka izao tetik’asa sy manolotra izany fiofanana izany moa ny mpilatsaka an-tsitrapo japoney Minami.
