ActualitésTatitra

Union Européenne : Mametraka fitoriana amin’ny AstraZeneca noho ny tsy fahampian’ny vaksiny

Nanomboka ny marainan’ny alarobia 26 may tao Bruxelles ny ady hevitra mikasika ny fanoheran’ny Union Européenne ny vaksiny AstraZeneca. Raha ny nambarany mantsy dia tsy manaja ny fifanarahana vita sonia ny orinasa sy ny fifanarahana amin’ny fandefasana ny fatran’ny vaksiny. Hiakatra fitsarana androany Alarobia mihitsy aza izao adin’ny Union Européenne sy ny AstraZeneca izao any amin’ny tribonaly ao Bruxelles. Niatrika fitsarana tamin’ny 9 ora tany an-toerana ny mpisolovava roa tonta ary mbola hiakatra fampanoavana ihany koa izy ireo ny zoma 28 may izao. Tsy nahavita nandefa fatra 120 tapitrisa ao anatin’ny telo volana voalohany ny AstraZeneca, izay vokarina ao Grande Bretagne. 30 tapitrisa ihany no vitany kanefa efa vita sonia izany. Ary mbola nilaza aza izy fa fatra 70 Tapitrisa ihany no havoakany amin’ny telovolana faharoa, raha 180 tapitrisa no nifanarahana. Hivoaka afaka andro vitsivitsy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara amin’izao raharaha eo amin’ny AstraZeneca sy ny Union Européenne izao.

Laisser un commentaire