France : Hitohy ny fitsarana an’i Bernard Tapie na dia tsy eo aza izy sy ny mpisolovavany
Tsy hanatrika ny tohin’ny fitsarana azy intsony i Bernard Tapie ary hanafoana ny zo fiarovana azy eo anoloan’ny fitsarana ambony ao Paris. Fitsarana natao noho ny hosoka sy fanodikondonam-bolam-panjakana nataony ny taona 2007 ho famahana ny fifanolanana nisy tamin’ny Crédit Lyonnais. Efa nanomboka ny 10 may lasa teo ny fiverenan’ny fiakarany teny amin’ny fitsarana. Nivoaka omaly ny 25 may tao aorian’ny fandavan’ny mpitsara ny fangatahana fanemorana nataon’ilay mpisolovavany Hervé Temime fa tratran’ny homamiadana maro i Bernard Tapie ary tsy maintsy hanaraka fitsaboana indray. “Eny ary, veloma mandrampihaona!” hoy ny nambaran’i Temime nandao ny efitrano niaraka tamin’ilay mpiara-miasa aminy Julia Minkowski. Tena malemy i Bernard Tapie ary tsy misy afaka handà izany, saingy etsy ankilan’izay anefa, mazava be fa tsy te ho voaheloka izy.
