ActualitésTatitra

France : Inona moa ny « billard carambole » ?

Ny « billard carambole »  na ny « billard français » dia karazana lalao iray amin’ny « billard ». Misy miantso ihany koa io lalao io hoe « billard à trois billes ». Arak’izany anarana izany dia « bille » telo ihany no ampiasaina amin’io karazana « billard » io, atao ambony latabatra tsy miy lavaka izy ary olona roa na efatra no milalao azy.

Ilay « bille » mena no antsoina hoe « carambole » amin’io karazana lalao io. Ankoatra azy dia misy « bille d’impact » fotsy sy « bille » fotsy misy teboka na mavo ihany koa eo ambonin’ny latabatra. Ny tanjon’ny lalao dia mandona ireo « bille » roa miaraka. Mahazo isa ny mpilalao iray rehefa mahavita izany ary afaka manohy milalao. Raha tsy mahavita kosa izy dia milalao indray ny mpifaninana. Marihana fa andrana telo avy no ananan’ny mpifaninana.

Laisser un commentaire