Torohevitra: Mampafisaka kibo ny fihinanana voamadilo
Ho an’ireo te hanena kibo dia azo atao tsara ny mampiasa ny voamadilo entina miady amin’ny tavy sy ny menaka miandrona any anaty vatana rehetra any. Maro dia aro ny tombontsoa entin’ny voamadilo amin’ny vatana izay tsara ny mahafantatra azy.
Voalohany indrindra, ahitana anisan’ny karazana voankazo manan-karena “fibres”, vitamine c, proteina sy otrikaina hafa mahasoa ny voamadilo. Tsy ahitana menaka firy ao aminy ary kely ny kaloria entiny. Ny fananany ilay singa antsoina hoe “hydroxyl acide citrique” no mahatonga azy mampihena ao anatin’ny fotoana vetivety; io singa io ihany koa no mahatonga ny vatana tsy hitahiry ireo menaka isan-karazany. Manapaka ny fahazoan-komana ihany koa no tena mahatsara azy.
Manaraka izany, ny fisotroana na fihinana voamadilo dia miady amin’ny fitoanana, miady sy manala ireo loto sy ny poizina miandrona ao anaty; manamora ny fandevonan-kanina ihany koa. Ny tena tsara indrindra rehefa manao azy ranony, tsy asiana siramamy fa tsara kokoa raha tantely no ampiasaina raha tena marikivy.
Maro tombon-tsoa azo amin’ny fihinana voamadilo tao ny manala ny arafesina any anatin’ny vatana. Mahita vokatra vetivety ny fampiasana azy raha ho an’ireo mitady vokatra vetivety eo amin’ny fanenam-batana ary farany manetsika ny aty sy ny tsinay hiasa tsarany fisotroana ranom-boamadilo fa indrindra manala kankana amin’ny ankizy.
Manitra Ramanantsoa
