ActualitésTsidika

Taiza vatana: Mampatavy haingana be ny tsy fahampiana torimaso

 Anisan’ny olana sedrain’ireo efa miasa na mbola mpianatra matetika ny tsy fahampian-tory indrindra fa ireo miasa alina. Misy akony lehibe eo amin’ny fiasan’ny vatana anefa io kanefa tsy mahatsapa izany akory ny ankamaron’ny olona miaina izany isanandro.

Araka ny fikarohana nataona nmanampahaizana tany ivelany tany, dia mampihinana kaôria betsaka kokoa ny tsy fahampiana torimaso. Noana kokoa ny olona tsy natory tsara ny alina ary mahatratra hatrany amin’ny 400 kaloria any ny ampidirin’ny olona tsy ampy torimaso amin’ny vatana rehefa vizana.

Tia sakafo matavy ihany koa ny olona tsy ampy torimaso, mora andairan’ny rarin-tsaina, kizitina ary ny sakafo no vahaoloana itan’izy ireo ampitoniana izany. Farany, hitan’ireo mpikaroka ihany koa fa manakana ny vatana tsy handoro kalôria ny fatoriana alimbe loatra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire