Etats-unis : Inona tokoa ny UFC?
Ny « Ultimate Fighting Championship » ahafohizina hoe UFC dia fikambanana amerikanin’ny MMA, mikarakara hetsika ara-panatanjahantena. Voasokajy ho isan’ny ligy goavana indrindra eran-tany eo amin’izany taranja izany izy io amin’izao fotoana.
Tamin’ny taona 1993 tao Denvers, Colorado kosa no nisian’ny ady voalohany nokarakarain’ny UFC. Fifaninana nahafahana naneho karazana haiady sy ady ara-panatanjahantena tao anaty fitsipika malalaka no nitarihan’izy ireo izany tamin’izany fotoana. Voasokajy ho hetsika andrin’ny firoborobon’ny « MMA » maoderina io hetsika io matetika.
Nivoatra ny fikambanana rehefa nandeha ny fotoana. Lasa mikarakara fifaninanana isan-karazany ho an’ny ady sara-panatanjahantena izy ireo izay misy fitsipika ary eken’ny vaomiera ara-panatanjahantena maro ao Etats-unis sy manerana izao tontolo izao.
