ActualitésTsidika

Faritra Atsimo: Mihamahazo vahana ny ambana mahazo ireo zaza varira

Ny faran’ny volana aogositra lasa teo no nisy nanambana ny ray aman-drenin’ireo zaza varira ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ireo mpaka an-keriny sy mpamono zaza varira any an-toerana. Nidina tany ifotony manoloana izany ny kaomadin’ny zandarimariam-pirenena Atsimo Atsinanana niaraka tamin’ny talen’ny Toby fitaizana azy ireo sy CB Vohipeno mba hiarovana ny ain’ireo zaza manoloana ny zava-misy izany.

“Mitantaina izahay, tsy mandry andro aman’alina manoloana ny afitsoky ny mpaka an-keriny ny zaza varira, zanakay. Amin’izy ireo amin’ny mpana-bola; manampy betsaka anay izao ataon’ny zandary izao satria izahay dia atody miady amam-bato ihany” hoy ny ray aman-dreny ao  Ankarimbary Vohipeno.

“Nisy ny fakana ireo zaza varira 02 vavy izay natolotry ny ray aman-dreniny ankalalahana teo imason’ny Ben’ny tanàna sy ny sefo fokontany ary nentina hotezaina sy ho arovana ao @ toby izay ambenan’ny zandary andro amanalina ao Farafangana” hoy ny avy ao amin’ny birao zandarimaria Atsimo Atsinanana.

Ny famindrana ireo zaza makany amin’ny toby no antoka ahafahana miaro ny ain’izy ireo, izay tafiditra ao anatin’ny andraikitry ny zandary any an-toerana ny miaro sy ny vahoaka sy ny fananany. Ny fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny zandary sy ny mponina ihany koa dia anisan’ny vahaolana entina miady sy manafongotra ny asa ratsy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire