Sabotsy Namehana : Tavoahangy feno rano maloto misy manary eo afovoan-tsena isa-maraina
Tavoahangy feno rano maloto (amany) efa amin’isa maromaro no misy manary eo afovoan-tsena isa-maraina, ao Sabotsy Namehana. Araka ny voalaza, tsy vao indray mandeha fa efa matetika no mandroaka sy mamafa izany miaraka amin’ny maloton’olombelona ireo mpamafa lalana ao an-toerana.
« Toe-tsaina tena mampalaheo no sady feno faharatsiana no azo hanambarana izao zava-misy izao. Feno fanambaniana tanteraka no tsy manaja ny hafa. Tokony handraisan’ny tomponandraikitra fepetra faran’izay haingana » hoy i Holy, mponina eo amin’ny manodidina.
« Ilaina fanaraha-maso sy fampandraisana andraikitra ny tranga tahaka izao. Anisan’ny lesoka ny fahampian’ny toeram-pivoahana ao an-toerana, indrindra fa amin’ny alina. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny fampanarahan-dalàna » hoy i Aina, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Tsy fahampian’ny fanabeazana tokoa ve sa tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra no mahatonga ny tranga tahaka izao ? Iza no handrasana handray andraikitra ? Tokony samy mandinika sy mandray fepetra ny tsirairay.
Manitra Ramanantsoa
