Maroantsetra : Vita ny asa vaventy dia nijanona hatreo ny asa fananganana trano fianarana
Mikatso tanteraka ny fananganana sekoly lazaina ho « manara-penitra » ao Maroantsetra Analanjirofo amin’izao fotoana izao. Ny asa vaventy no vita dia nijanona hatreo ny asa, efa ho herintaona izay. « Lavitra andriana ve ny aty aminay sa lanin’ny olona ny vola tokony hanamboarna azy fa dia manondona eto an-tanàna fotsiny ity trano fianarana ity fa tsy hita akory izay hanaovan azy » hoy i Kelly, mponina ao Maroantsetra.
« Mahantra fotodrafitr’asa ny tanàna, ny toky anefa omena ihany, ny fanabeazana izay lazaina ho vahaolana mba hisian’ny fandrosoana aza atao an’izao » hoy i Clarisse, mpampianatra avy ao Maroantsetra. « Ny trano mijoalajoala izay tsy ho vitan’ny mponina mihitsy ny hanohy azy fa miandry ny fanjakana mahefa mihitsy satria ho ataon’izy ireo manara-penitra hono ka tsy hay na tsy hita ny zava-misy na hodian-tsy hita na tsy araka intsony izay atao noho ireto manara-penitra atao etsy sy eroa ireto » hoy i Emilien, mpanao politika monina any amin’ny faritra Analanjirofo.
Mampalahelo tokoa ny tahaka izao. Ny fanabeazana mihitsy no simbaina sy ampikatsoina. Isan’ny fanomezan-danja ny fanabeazana manko ny fahatsaran’ny toeram-pianarana kanefa izao iniana simbaina izao sy hodiana fanina izao.
Nicole Rafalimananjara
