Etats-Unis : Mbola firenena matanjaka ara-tafika indrindra
Na dia hita aza fa matanjaka ara-tafika i Russie dia mbola laharana faharoa aorian’i Russie izy. Raha y filaharana nataon’ny Global Firepower ho an’ity taona 2022 ity dia i Etats-Unis no firenena matanjaka ara-tafika indrindra, manana miaramila 1,4 tapitrisa izay misy « réserviste » 440 000. Mametraka azy eo amin’io toerana io kosa ny tetibolam-piarovana 688 800 tapitrisa euros sy « PowerIndex » 0,0453.Manaraka azy i Russie izay manana miaramila 850 000 sy « réserviste » 250 000 ary teti-bola 37 800 tapitrisa euro sy « PowerIndex » 0,0453. I Chine no manaraka azy ireo, i Inde no eo amin’ny laharana fahaefatra, manaraka azy i Japon ary any amin’ny laharana fahaenina no misy an’i Corée du Sud, France, Royaume-Uni, Pakistan ary Brésil no manakatona ny 10 lehibe indrindra.
