ActualitésTsidika

Antananarivo Renivohitra: Vita ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ny kopia faobe.

Hanenika ny boriborin-tany miisa 6 ity hetsika fizarana kopia faobe ity. Vinavinaina hahatratra olona miisa 12 000 eo no hahazo izany ao anatin’io boriborin-tany io. Zon’ny olona rehetra ny hanana ny taratasy izay hahitana ny momba momba azy eo amin’ny firenena iray ka izany indrindra no nanaovana izao hetsika izao mba hanampiana azy ireo hisitraka ny zony.

“Ny avy ao amin’ny Organisation Internationale de la Francophonie na OIF no hamatsy vola ny as aka hahazo ny anjarany avokoa ireo olona rehetra amin’ny boriborin-tany enina. Izahay avy ato amin’ny Kaominina no manatanteraka ny tetik’asa ka tsy hisy ho very anjara fa hanadalovana avokoa satria sarobidy ny fananana izany kopia izany”, hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

“Efa nisy 350 ny nisitraka izany kopia faobe izany tamin’ny fandalovan’ny Sekretera Jeneralin’ny OIF teo amin’ny Lapan’ny Tanàna, telo volana lasa izay. Noho ny fahitana fa mbola maro ny ankizy tsy manana kopia, izay fototra iaingana amin’ny fiainana maha olom-pirenena dia nisy ny faniriana ny hanohizana ny hetsika. Tanteraka izany ankehitriny ka notohizana ny fizarana ny kopia izay manaraka ny fepetra rehetra”, hoy hatrany ny fanazavana.

“Ilaina mihitsy ny manana kopia satria raha vao nampiditra ny zanako nianatra voalohany aho dia nilaina izany kanefa tsy nanana izy dia somary sahirana ihany. Maro ny sehatra tsy maintsy hampiasana azy fa raha misy ny fotoana toy izao dia hararaotina mihitsy”, hoy i Marie, mpivarotra eny Analamahitsy.

Marihina fa misy fepetra maro tsy maintsy lalovana alohan’ny hanomezanany kopia. Miara-miasa amin’ny ministeran’ny Fitsarana sy ny ministeran’ ny Fahasalamana, miaraka amin’ny delegen’ny boriboritany rehetra ny kaominina ao anatin’izany ka mangarahara tanteraka ny fizarana izany.

Miora Raharisolo 

RépondreTransférer

Laisser un commentaire