ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Hisy ny fivoriana mahakasika ny famerenana ny famatsian-drano ao amin’ny fokontany Antanetibe sy Ambohimanambola Firaisana

Hisy ny fivoriana ho tarihin’ireo tomponandraikitra misahana ny rano fidiovana sy fanadiovana, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ho an’ny fokonolona ao amin’ny fokontany Antanetibe sy Ambohimanambola Firaisana amin’ny Alakamisy 09 Novambra sy zoma 10 Novambara izao. Ho famerenena ny fampisitrahana rano ao an-toerana no antom-pisian’izany, araka ny voalaza.

“Ny tomponandraikitra misahana ny servisy rano fidiovana eto anivon’ny kaominina dia mampiantso fivoriana ho an’ireo manam-panirina hisitraka rano fisotro madio avy amin’ny foto-drafitr’asa kaomininaly efa mipetraka isaky ny fokontany fa hisy ny famerenana ny foto-drafitr’asa fampisitrahana rano ao amin’ny fokontany roa dia Antanetibe sy Ambohimanambola Firaisana” hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.

“Misy ireo teboka maromaro ho resahina mandritra izany fivoriana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny mahakasika ny foto-drafitr’asa kaominaly, ny momba ny paompin-drano sy ny fametrahana izany eny an-tokatrano, ny fametrahana vahaolana momba ireo sakana amin’ny famerenenana ny rano sy ny teboka samihafa ihany koa” hoy hatrany ny fanazavana.

Ny andron’ny alakamisy 09 Novambra 2023 moa no hanatanterahana ny fivoriana ao amin’ny fokontany Antanetibe, izay atao ao amin’ny Tranom-pokonolona Antanetibe manomboka amin’ny 03ora tolakandro. Ny zoma 10 novambra kosa no anjaran’ny fokontany Ambohimanambola Firaisana, izay atao ao amin’ny tranom-pokonolona Ambohimanambola Firaisana hatrany, amin’ny 04ora hariva.

Manitra R.

Laisser un commentaire