Manakara: Voasambotra ireo jiolahy namono olona tany Sava
Voasambotra ny marainan’ny 30 oktobra ireo jiolahy telo lahy namono nahafaty ny mpampiasa azy ireo tany SAVA. Hita niaraka tamin’izy ireo nandritra ny fisamborana azy ny valizy sy kapa ary ny findain’ilay vehivavy novonoiny.
“Ny 26 oktobra 2023 dia naharay vaovao avy amin’ny Vondro-tobim-paritra Zandarimaria (Companie) Andapa/Sava ny Komandin’ny Vondro-tobim-paritra Manakara/Fitovinany. Mikasika ny vehivavy iray atao hoe Razakamarie novonoin’olona tany amin’ny faritra Sava. Nitsoaka tany amin’ny kaominina Sahasinaka ireo nahavanon-doza. Nitohy ny fikarohana azy nandritra izany.” Hoy ny mpitandro filaminana.
“Vao naheno izany ny Kapiteny avy ao amin’ny komandin’ny vondro-tobim-paritra Manaraka dia nidina ifotony avy hatrany. Natao ny velam-pandrika hisamborana ireo olon-dratsy. Nandritra ny fikaroham-baovao natao; heno fa mihaodihaody ao Mahabako Manakara ireo olon-dratsy izay voamarina fa namono nahafaty an’ilay vehivavy tany Sava, izay mpampiasa azy ireo ihany. Raikitra ny fisamborana tao aorian’izay. Ny vondro-tobim-paritra Andapa no hanohy ny famotorana alohan’ny hanolorana azy ireo eny amin’ny fitsarana.” Hoy hatrany ny fanazavany.Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny Tagnamaron’ny fahandriam-pahalemana (TAFA) sy ny fifampitokisana misy eo amin’ny vahoaka sy ny zandarimaria.
