Ankadikely Ilafy : Tontosa soa aman-tsara ny « tournoi de basket-ball des clubs inter-fokontany »
Tontosa soa aman-tsara tamin’iny herinandro iny ny fifaninana ara-panatanjahan-tena, teo amin’ny taranja basket-ball (tournoi de basket-ball des clubs inter-fokontany) ho an’ny taona 2023, nokarakarain’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nandray avokoa tamin’izany ny sokajy lahy sy vavy, tao an-toerana.
« Nahafa-po ny fifaninanana. Hita tokoa nandritra izany fa tena manana mpilalao mahay ary miezaka ny hiakatra ambony hatrany ny tanora eto amin’ny kaominina. Hisaorana ny tomponandraikitra mikarakara ny fifaninanana satria manandratra avo ny tanora sy ny fanatanjahan-tena izany » hoy i Nandrianina, mpilalao basket-ball.
« Raha mahakasika ny valin’ny lalao, teo amin’ny sokajy lehilahy, ny fokontany Andafiavaratra dia lavon’ny fokontany Mandrosoa tamin’ny isa 56 no 53. Teo amin’ny sokajy vehivavy, ny fokontany Antanetibe nandresy ny fokontany Ambohitrarahaba tamin’ny salan’isa 45 no 41 » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
Ny ekipan’ny fokontany Mandrosoa sy Antanetibe araka izany no nibata ny amboara nandritra ity fifaninanana ity. Zava-dehibe ho fampandrosoana ny tanora ny fikarakarana fifaninanana tahaka izao, mila fanohanana ireo tanora ka any amin’ny fanatanjahan-tena no tokony hamporisihana azy ireo voalohany.
