Chine : Maherin’ny 1000 ny lakandrano mamarina fako plastika anaty ranomasina
Ny ankamarohan’ny fako mivarina an-dranomasina dia entin’ny renirano avokoa. Ny taona 2017 teo dia namaritra ny vondrona siantifika iray fa ny 90% ny fako plastika mivarina an-dranomasina dia avy ao ny Nil aty Afrique, ny Amazone ao Amérique du Sud ary ny Yangzi ao Chine izay renirano telo lehibe indrindra eran-tany.Nanazava kosa izy ireo fa misy lakandrano manodidina 1 000 miainga amin’ny toerana samihafa mitondra ireo fako ireo ao amin’ny renirano alohan’ny hivarianan’izany any an-dranomasina. Ho an’i Chine manokana dia mandalo lalàna 6 300 kilometatra ny reniranon’i Yangzi, mandalo tànana maro izy ary ka mitondra fako makao aminy ireo lakandrano samihafa. Mametraka azy eo amin’ny toeran’ny lakandrano maloton’ny fako plastika indrindra izany.
