Nohalavaina indray ny fe-potoana hanatanterahina ny fitsarana miaramila tany amin’ny faritr’i Antsohihy
Maro an’isa ireo tanoa izay liana tamin’ny fitsarana miaramila, koa izany indrindra ny antony nanalavana indray ny fe-potoana nahafahana nanatanteraka ny fitsarana miaramila. Ny 01 oktobra no tokony hifarana izany fitsarana miaramila taona 2021 ato amin’ny Distrikan’ Antsohihy raha ny tetiandro nomen’ny teo amin’ny Minisitera misahana izany.Ny tanora lahy sy vavy mizaka ny zo-pirenena Malagasy, 19 hatramin’ny 31 taona no entanina amin’izany. Manam-pahefana maro no nanatrika izany tany an-toerana. Ny volana aogositra lasa teo no nifarana ny fitsarana miaramila teto Antananarivo Renovohitra, nitohy tany amin’ny distrikan’Atsimondrano izany, ary izao miroso amin’nyfitetezam-paritra izao. Manampy betsaka, indrindra rehefa hitady asa sy hikarakara taratasy ara-panjakana ny fahavitana ity adidy ho an’ny tanindrazana ity. »Efa sondriana tanteraka izahay amin’ny hisian’ny fitsarana miaramila aty amin’ny faritra misy anay, faritra maro mantsy no efa nahatontosa izany, taneraka izany ankehitriny ko dia mankasitraka ireo tompon’andraikitra rehetra » hoy i Fanomezantsoa, mpianatra. « Penina manga sy kara-panondrom-pirenena no fitaovana entin’ny tanora rehefa hanatanteraka ny fitsarana miaramila, tsy mbola karatra manamarina ny fahavitana ny fitsarana miaramila no zaraina aorian’izao fa ilay karatra maintso izay hahafahana maka izany any amin’ny fitsarana » hoy ny mpikarakara. »Manentana an’ ireo zatovo lahy sy vavy mba ho tonga hitsara miaramila ny tompon’andraikitry ny fitsarana miaramila ato amin’ny Faritra Sofia » hoy i Abasy Alad Noelison, Filoha lefitry ny faritra Sofia. Entanina isika tanora hanararaotra dieny mbola misy ny fotoana, ilaina mandrakariva amin’ny maha olom-pirenena ny fahatanterahana ireo adidy isan-karazany eo amin’ny firenena. Anisan’ny marika enti-mamaritra ny fitiavan-tanindrazana misy eo amin’ny tanora izao fiantsoana izao.Manana anjara lehibe amin’ny fampandrsoana an’i Madagasikara ny tanora noho izy izay ambara ombieny fa ho avin’ny firenena.
Haingotiana Andriamihaja
