Fampandrosoana : Hitombo isa ireo trano avo eto an-drenivohitra
Fampandrosoana : Hitombo isa ireo trano avo eto an-drenivohitraHaorina eny Tanjombato ny trano lehibe miisa 8 ahitana rihana 15. Ny orinasa sinoa Rundong izay matihanina amin’ny resaka taotrano sy asa vaventy no hiandraikitra ny fanorenana izany, mba hanatsarana ny endriky ny tananan’Antananarivo ka ny roa amin’ireo no ho vita amin’ny faran’ny taona 2023. Rindrina miaro amin’ny firodanana raha sendra horohoron-tany no handrafitra azy ary ny fidirana ao amin’ny efitra tsirairay kosa dia mampiasa ny karatra elektronika.Nilaza i Holy Fanjatiana, talen’ny varotra ao amin’ny orinasa Rundong fa « ny herinaratra ao amin’ireo trano ireo dia iarahana amin’ny Jirama, fa hisy ny milina matanjaka hampiasaina raha tapaka ny jiro ao, fa ny rano kosa dia hahaleo tena tanteraka ireo trano lehibe reo ».Hoy kosa i Rado mponina eny Tanjombato hoe « matahotra sahady izahay sao dia hisy trano arodana noho ity tetikasa ity ».Raha ny fihetsiky ny fanjakana dia mirona kokoa makany amin’ny fanatsarana ny endriky ny tananan’Antananarivo hatrany, tokony atao vaindohan-draharaha mihitsy anefa ny fiainan’ny mponina satria zava-poana ny asa fampandrosoana raha tsy takatry ny fahefa-mividin’ny vahoaka akory. Firy isan-jaton’ny mponina ary no azo heverina ho afaka misitraka izany trano haorina izany ?
Aurélien Tsitarihina
