Manantena fivoarana avy amin’ny governora vaovao ny mponina amin’ny faritra Anôsy
Taorian’ny nanendrena ny governoran’ny faritra Anosy ho lasa minisitra nandrafitra ny governemanta dia tsy nisy governora tao an-toerana. Voatendry nandritry ny filan-kevitry ny minsitra anefa fa i Raharimbola Jocelyn no governora vaovao.Raha hiverenana kely ny raharaham-pirenena dia i Hatrefindrazana Jerry no governora tao amin’ny faritra Anosy ary voatendry ho Minisitry ny Asa Vaventy anefa izy nandritra ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny governemanta farany teo, ka izao indray vao voatendry ny solony. »Efa ela no niandrasanay izay ho solon’ny governoranay teo aloha ary isaorana ny fitondram-panjakàna nanendry izany, ka mino sy manantena izay fa hitondra paik’ady vaovao ahafahana ampandroso ny faritra ity governora vaovao ity, inoana ihany koa fa tsy ho latsa-danja fa hahavita be noho ny teo aloha aza ny tenany » hoy i Harilaza, mponina ao Tolagnaro. »Anisan’ny olona efa hita tamin’ny sehatra maro ihany raha i Raharimbola Jocelyn, efa mpikambana tao amin’ny Unicef Madagascar izy mialohan’izao fanendrena azy izao, efa niasa tao amin’ny ONG Catholic relief services , Care International sy Madagascar International Parks ny tenany. Mahay mifandray amin’ny fiaraha-monina ihany koa izy ary vonona ny hifanampy sy hifanome Tanana amin’ny vahoaka » hoy ny mpitondra tenin’ny governemanta. »Tsy azo atao tsizarizary izany asan’ny governora izany ary tsy vitan’ny kobaka am-bava fotsiny ihany fa ilàna asa mivaingana. Anisan’ny tsy ahenoana fitarainana avy amin’ny vahoaka izany governora izany ka noho izany dia ilaina ny fiaraha-misalaha amin’ny vahoaka mba ho toa teny lalan-dava ianao » hoy i James mpamakafaka ara-politika.Tsy ho atao haitraitra na ireharehana fotsiny izany asan’ny governora izany fa ilaina fanetre-tena sy finiavana. Ny fihainoana ny vahoaka indrindra no tena zava-dehibe.
Lovasoa Tojonirina
