Tovolahy kely nahafaty vehivavy iray
Tovolahy iray vao 16 taona no nahafaty vehivavy iray mpiray vodirindrina aminy any Ambalahasina ao amin’ny Kaominina Ampasimbe Onibe. Mpandaza azy any amin’ny ray aman-dreniny io vehivavy io ka izay no namonoany azy.
« Mpitoroka ahy any amin’ny ray aman-dreniko foana io vehivavy io ka bedy foana aho, nitsiry tao an-tsaiko ny hamono azy » hoy ny fanazavan’ity tovolahy ity. « Ny 31 aogositra lasa teo no niandrasany an’io vehivavy io ka nokapainy tamin’ny antsibe ny atony sy ny lohany ary ny tanany izay nitarika amin’ny fahafatesany » hoy ny Zandarimariam-pirenena.
« Tena nahavita zava-doza mihitsy ity tovolahy ity, tsy mahazaka tenenina ve sa diso mampijaly azy loatra ny ray aman-dreniny ? » hoy i Soafara, mponina ao an-tanàna. Saron’ny zandary ity tovolahy ity taty aoriana ka niaiky ny heloka bevava nataony izy ary ho atolotra ny fitsarana. Tsy mety amin’ny zanaka ve ny fibedesana satria mampahatonga azy hanao izao ?
Nicole Rafalimananjara
