Manimba ny olombelona ny sigara sy ny paraky.
Efa betsaka ireo fanentanana natao entina hiadiana amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky teto Madagasikara. Nitsangana avokoa ireo hery velona misehatra anatin’izany saingy toa mbola tsy resy ihany ny paraky sy ny sigara hatreto. Natao ny fanentanana isankarazany teny amin’ny haino vaky jery sy teny amin’ny fiaraha-monina rehetra teny. Nasiana ihany koa tamin’ny fonon’ireo sigara saingy tsy nisy nahomby na iray aza. Nivoaka ny tatitra momba ny fahasalamana nataon’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana na ny OMS. Malagasy miisa 8 300 no matin’ireo zava-mahadomelina ireo isan-taona. Misy voka-dratsiny eo amin’ny fahasalamana tokoa mantsy ny fihinanana paraky sy ny fifohana sigara. Anatin’izany ny aretin’ny fitaovam-pisefoana, ny homamiadan’ny havokavoka, ny aretina mpahazo ny lalan-drà sy ny fo. Ratsy ihany koa ho an’ireo vehivavy bevohoka sy mampinono ireo zava-mahadomelina ireo. Voalazan’ny mpitsabo fa mampihena ny lanjan’ny zaza ateraka na hampinonoina izany. Voakasika ihany koa ny ara-toekarena noho izy mandany vola. Tsy maintsy ampiasaina isan’andro izany ho an’ireo efa tafaroboka tanteraka. Tokony tsy ho ao anatin’ireo filàna maha olombelona anefa izany rehefa atao ny kajikajy. Ny sigara mihitsy ve no tokony tsy hofoanana eto sa ny fanabeazana ny olom-pirenena amin’ny fitandroana ny fahasalamana no mila ampitomboina ?
Nicole Rafalimananjara
