ActualitésTsidika

11 Febroary 1975-11 Febroary 2022: “Tsy miamboho adidy aho Mon General”

Daty nanamarika ny tantaran’i Madagasikara ny 11 febroary. 47 taona lasa izay no nitifirana an’i Kôlônely Richard Ratsimandrava. Ny alin’ny 11 Febroary 1975 tamin’ny 8 ora alina no nisehoan’izany. Raha tsiahivina ny tantara, natolotry ny Jeneraly Ramanantsoa an’i Kôlônely Ratsimandrava ny fahefana feno hitondra ny tany sy ny firenena ny 5 Febroary 1975. Izany hoe 6 andro talohan’ny nahafatesany. Hoy izy nandritra izany: « Tsy miamboho adidy aho Mon General ». Teny milaza fahavononana sy tsy fihemorana hampandrosoana ny firenena tokoa izany. Maty voatifitra teny Ambohijatovo ambony niaraka tamin’ireo mpiambina azy anakiroa noho ny sopatra nataon’ny hafa anefa i Kôlônely raha iny hody eny Anjohy iny. Betsaka ireo nametra-panontanina, Inona no antony? Iza no namono azy? Iza no tao ambadiky ny famonoana? Alahelon-toerana ve? Mbola mipetraka ho baraingo hatramin’izao ireo fanontaniana ireo. Efa nisy ny famotorana sy ny fanadihadihana saingy tsy nahitam-baliny izany hatramin’izao. Inona no marina? Tsy nahitana mangirana tokoa ve ny fanadihadihana sa niniana nafenina ny vahoaka ny tena marina?

Laisser un commentaire