ActualitésTatitra

Inde : Natomboka ny famokarana « spray nasal » hiadiana amin’ny covid-19

Entina hamonoana ny tsimok’aretina coronavirus any amin’ny lalan-drivotra ny « spray nasal » antsoina hoe « FabiSpray ». Vokatra vita amin’ny « oxyde nitrique » izy io ary ny nahazo alalana hamokatra sy hivariotra azy ny orinasa mpamokatra fanafody Glenmark ao Mumbai izay. Hiara hiasa aminy amin’io tetikasa io ny orinasan’i Canada SaNOtize.Nanazava i Glenmark fa mamotika ny tsimok’aretina tsy ho tonga any amin’ny havokavoka io vokatra io. Efa nisy ny andrana natao tao an-toerana hoy mpitsabo Monika Tandon, tompon’andraikitry ny orinsa mpamokatra fanafody. Nahavelombolo hoy izy ny andrana natao, namaritra izany fa ao anatin’ny 24 ora ao aorian’ny fanatsifirana ny fanafody dia nampihena ny tanjakin’ny tsimok’aretina 94% io « spray nasal » io, ary tafiakatra 99% izany tao anatin’ny 48 ora. Mahomby amin’ny « variant » rehetra io fanafody io, raha ny voalazany.

Laisser un commentaire