SocialTatitra

Etats-unis : Zaza 3 taona notsatohin’ny reniny antsy

Novonoin’ny reniny tamin’ny fomba feno habibiana i Sutton, zazavavy kely 3 taona. Tao Oscoda Township, tao Michigan no niseho ny tranga. Notsatohin’i Justine Johnson, 22 taona ny antsy teo amin’ny tendany, kibony ary tratrany ny zanany ary natsofony tao anaty harona « sachet » fanariam-pako.Ny zandrin’io renim-pianavakiana io izay 17 taona no nampandrehy ny manam-pahefana rehetra nahita tongotra nikirazorazo tamin’ny « sachet ». Nihevitra izy tamin’ny voalohany fa hanihany ny zavatra hitany saingy ankona izy rehefa nanokatra ny « sachet ».Nahita rà tao an-trano kosa ireo mpitandro ny filaminana rehefa tonga tao an-toerana ka nosamborina avy hatrany i Justine Johnson. I Bob l’éponge hoy izy no nanosika namono ny zanany. « Vonoy izy raha tsy izany ianao no maty hoy izy tamiko » hoy io vehivavy io. Fantatra kosa fa nitsindrona zava-mahadomelina io vehivavy io nahatonga azy nahita fahita nanosika azy namono ny zanany (hallucination). Efa eo am-pelatananan’ny manam-pahefana izy ary ho tsaraina ny 28 febroary izao.

Laisser un commentaire