PolitiqueTatitra

Washington/Londre : Namely daroka baomba an’i Yémen indray

Nanao daroka baomba vaovao tao Yemen ny tafika Amerikana sy Britanika tamin’ny alin’ny alatsinainy ka hatramin’ny omaly talata, mba  hanoherana ireo mpihoko Houthi, izay mbola milaza fa « tapa-kevitra » hanohy ny fanafihana any amin’ny Ranomasina Mena, ho fanohanana ny Palestiniana ao Gaza. Araka ny nambaran’ny avy amin’ny tafika Amerikana sy Britanika, dia nikendry ny trano fitahirizana ambanin’ny tany, fitoeran’ny balafomanga sy toeram-pitsikolovana an’i Houthis ny fitifirana natao.

Laisser un commentaire