Torohevitra : Fomba tsotra hanapenana ny nify misy loaka
Anisan’ny mampijaly ny olona, indrindra rehefa manomboka mpitovo ny areti-nify vokatry ny loaka ao anaty nify. Matetika rehefa tsy voatampina mialoha eny amin’ny dokotera mpitsabonify izy io dia mampijaly ary tsy maintsy miafara amin’ny fanesorana azy. Tena mampihena ny herim-batana anefa ny fanalana nify. Ity zaraina amintsika ity misy torohevitra tsotrasy mahomby, afaka manampy mba tsy hampihitatra be ny nify loaka na hankarary azy.
Ny zavatra ilaina dia rano, karibonetra ary akoran’atody. Ahoana no fampiasana azy ? totoina ho lasa vovony ny akoran’atody ary araraka anatin’ny vera misy rano, sady tapohina karibonetra indray sotrokely. Rehefa vita izay dia avela hifangaro tsara mandritra ny 30minitra.
Rehefa tapitra izay fe-potoana izay vao azo ampiasaina ka nify tsy manaintaina no hampiasana azy, izay hoe rehefa mijanona ny fanaintainan’ny nify vao araraka amin’ny nify misy loaka. Marihina moa fa tsy ilay fangarona rano ihany no araraka amin’ny nify nandoaka fa ampiarahana amin’ny vovoka akoran’atody ihany koa. Atao isan’andro mandritra ny 7 andro izany.
