SocialTatitra

Rivo-doza any Frantsa: iray maty ary trano 1,2 tapitrisa tsy misy jiro

Olona iray no maty ary trano 1,2 tapitrisa eo ho eo no tsy nisy jiro tany avaratra andrefan’i Frantsa taorian’ny fandalovan’ny Rivo-doza Ciaran, hoy ny fanambaran’ny manampahefana ny alakamisy teo. Mpamily kamiao ilay namohy ny ainy raha nienjeran’ny hazo ilay fiarany taorian’ny fifohazan’ny rivotra mahery, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny mpamono afo. Ankoatra izany, trano 1,2 tapitrisa eo ho eo no tsy nisy jiro ny alakamisy maraina, anisan’izany ny 780,000 tany Bretagne. Rehefa niforona tao amin’ny ranomasina Atlantika, dia nanomboka nitsoka tany amin’ny faritra andrefan’i Frantsa ny rivo-doza Ciaran tamin’ny harivan’ny alarobia. Ny rivotra mahery indrindra dia norefesina tamin’ny marainan’ny alakamisy niaraka tamin’ny tafio-drivotra efa ho 210 km /ora ka nampianjera hazo vitsivitsy iany koa. Teo amin’ny olona 1.300 no voatery nafindra toerana. 

Mialy Fanilo

Laisser un commentaire