ActualitésTsidika

Anjeva gara : Tratra ilay tomponantoka tamin’ny vono olona feno habibiana

Taorian’ny nisehoana tranga famonoana olona tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny kaominina Anjeva gara, ny herinandro lasa teo, de nisy vokany ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana. Tratra tamin’ny faran’ny herinandro teo ilay tomponantoka tamin’ny famoana ilay vehivavy tao Miadamandroso, Anjeva gara.

« Voasambotra nandritra ny fikarohana sy ny fanadihadiana izay natao ny lehilahy iray ahiahiana ho nandray anjara mivantana tamin’ity raharaha ity satria nisy nijoro ho vavolombelona nahita azy io nivoaka ny trano tamin’ny fotoana nisian’ny famonoana, nomarihin’ilay vavolombelona moa fa nahitany rà ny andrin’io lehilahy io tamin’izany » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Mampahalelo sy mahonena tanetraka ny tranga tahaka izao. Mila mailo sy mitandrina hatrany amin’ireo olona manodidina satria tsy ampoizina tokoa ny fivadiky ny fiainana hany ka na ny olona akaiky ny tena aza dia mahavita mandatsaka ny aina” hoy i Hoby, mponina ao Anjeva.

Raha tsiahivina ny zava-nitranga, vehivavy iray 56 taona no nisy namono tao an-tranony ny 24 oktobra teo. Tsatoka antsy no nahafaty ity vehivavy ity rehefa nataon’ny Zandary  avy ao amin’ny Poste Avancé ANJEVA GARA niaraka tamin’ny mpitsabo ny fizahana,  4 teo amin’ny lamosiny,  01 teo amin’ny tendany,  01 teo amin’ny handriny.

Manitra R.

Laisser un commentaire