Ireo fahasarotana amin’ny fiainan’ny mpianatra: safidy momba ny asa sy ny fiainana ara-tsosialy.
Ny fiainan’ny mpianatra dia manolotra fanamby sasantsasany ary zava-dehibe ny miresaka momba izany satria anisan’ny ho avy ho an’ny olona maro izany. Ireo fanamby ireo dia mifandraika indrindra amin’ny safidy asa ary koa ny fiainana ara-tsosialy.
Ny mpianatra dia eo ambany fanerena mafy hifidy fianarana izay manome azy asa lehibe. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’izany fanerena izany. Matetika izy ireo no mitarika ny zanany amin’ny asa malaza toy ny dokotera, mpisolovava, mpitsara ary ny maro hafa. Ny ray aman-dreny sasany dia mametraka ny asa nofinofiny amin’ny zanany. Vokatr’izany dia manao izay tsy safidiny voalohany ny mpianatra, indraindray na dia mbola tsy manana hevitra mazava momba ny tombontsoany sy ny fahaizany aza dia voatery manao safidy mba tsy handiso fanantenana ny ray aman-dreny.
Ny fanaovana safidy momba ny asa dia mety ho loharanon’ny fisalasalana noho ny fahafantarana fa mivoatra ny tsenan’ny asa rehefa mandeha ny fotoana sady sehatra fifaninanana ihany koa izay mety hanasarotra ny fisongadinan’ny mpianatra tsirairay. Tsy mifanandrify amin’ny fitakiana hatrany ny tolotra ary mbola maro ny sehatra tsy voahaja na tsy dia omena lanja loatra, toy ny zavakanto sy ny mozika. Midika izany fa tsy maintsy manaraka ny lalana mahazatra atolotra azy ireo ny mpianatra.
Ireo fanapahan-kevitra sy fanerena ireo dia misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny mpianatra. Izay tsy manana ny antony manosika sy ny fahafinaretana amin’ny sehatra misy azy dia hiala ary izany dia mbola hisy fiantraikany amin’ny moraly ihany koa. Ny mpianatra mandeha any ivelany dia mora voan’ny fahaketrahana noho ny antony hoe ho tafasaraka amin’ny fianakaviany izy ireo fa raha sendra tsy mahomby amin’ny fianarana ihany koa.
Noho izany, mba hiatrehana ireo olana eo amin’ny fiainan’ny mpianatra ireo, dia ilaina ny miresaka momba izany, maneho hevitra ary tokony hisokatra sy hihaino ihany koa. Tsy maintsy mampiovaova ny safidin’ny fianarana afaka atao, manolotra fahafahana bebe kokoa ho an’ny mpianatra mba hahafahan’izy ireo mikaroka ny faravodilanitra isan-karazany ary mahita ny faniriany eo amin’ny sehatry ny asa.
Mialy Fanilo
