ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Misy ireo toeram-piofanana ho an’ny lakozia, zaitra ary ny informatique

Manome sehetra ireo fiofanana mahakasika ny taranja informtique, ny lakozia sy ny nahandro ary ny fianarana mahakasika ny zaitra sy ny petakofehy ihany koa ny Antsofinondry, kaominina Sabotsy Namehana amin’izao fotoana izao.

« Anisan’ny sehetra miroborobo, ary mahaliana tanora maro ny sehatry ny informatique, ny zaitra ary ny lakozia amin’izao fotoana izao. Noho izany indrindra dia efa misokatra ary manomboka ny fisoratana anarana ato amin’ny ivon-toerana ho an’ireo izay liana amin’izany » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny ivon-toerana.

« Manampy betsaka ireo tanora amin’ny fihariana ny seha-piofanana tahaka izao. Misy ireo tanora tsy maharisika na manana olana manokana amin’ny fandehanana an-tsekoly, ka anisan’ny vahaolana ihany koa ny fianarana asa ho an’ny fivelomana » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.

Marihina fa ny 09 janoary 2023 ny fidirana ho amin’ireto fiofanana ireto. Ho an’ireo izay mila fanampim-panazavana dia afaka manantona ny biraon’ny ivon-toerana maka fanazavana fanampiny.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire