Dépêches

Famokarana : Milanja 14 000 taonina ny litchis haondrana any Europe amin’ity taona ity

Dépêche 14 novembre, 12h, Efa nisokatra ny talata teo ny taom-piotazana ny litchis tamin’ity taona ity, raha ho an’ny faritra Atsinanana. Mbola miandry fotoana kely kosa ny faritra Sava. Nahatratra 1 000 mahery ireo mpandraharaha no nahazo alàlana hisehatra amin’izany. Maherin’ny 14 000 taonina kosa ny vokatra ho ahondrana any Eropa amin’ity taona ity. France, Belgique, Allemagne ary Pays-Bas no mpandray ny vokatra litchis betsaka indrindra avy aty Madagasikara. Efa tonga ao Toamasina kosa ny sambo izay hitondra ny vokatra hatramin’ny 5 000 taonina.

Laisser un commentaire