Ankadinondry Sakay : Hosokafana indray ny orinasa mpanao menaka
Averina ahodina ny orinasa mamokatra menaka Rainbow Oil ao Ankadinondry Sakay Nisy ny fiaraha-midinika nataon’ny orinasa sy ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ao Bongolava.
« Hovelomina indray ny orinasa mpamokatra menaka (Rainbow oil) ao Ankadinondry Sakay. Hampitomboana hatrany ireo orinasa eto an-toerana mba hampaleo-tena ara-tsakafo antsika tokoa » hoy ny avy ao amin’ny DRICC Bongolava. « Efa tsy nihodina fa ela ity orinasa mpamokatra menaka ity. Hiteraka asa vaovao sy hitondra voka-tsoa amin’ny famatsiana menaka eto amin’ny firenena ny fisokafan’io ozinina goavam-be io » hoy i Jean, mponina ao Ankadinondry Sakay.
Tapaka ary fa hatao tolo-bidy ho an’izay Mpandraharaha vonona hampiasa ny milina ireo fitaovana harifomba fananan’ny orinasa. Efa misy ny drafitra arahina hisokafany indray.
Nicole Rafalimananjara
