Velontaraina ny mpiasa ao amin’ny CHRR Ambatondrazaka
Nanao hetsika fanahirana ny mpiasa ao amin’ny hopitaly CHRR Ambatondrazaka. Tsy mifanaraka amin’ny fampanantenaina nomena ny zava-misy ankehitriny raha nambaran’ireo mpiasa ao amin’ny CHRR Ambatondrazaka. Raha ny fampanantenaina mantsy, ho raisina mpiasam-panjakana ireo mpiasa mpanohana. Ary ampiakarina ho roa hetsy ny farany ambany amin’ny karama. Velontaraina ireo mpiasa amin’izao fotoana izao. Maneho ny firaisan-kinany izy ireo ny amin’ny zavatra tsy mety atao amin’izy ireo raha nambarany. Tsy misitraka ny karama farany ambany akory izay nolazain’ny filoha izy ireo hatramin’izao. Noho ny krizy aterakin’ny Covid-19 anefa, miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ireo mpiasa. Akoatra izany, manampy trotraka ny fandroahana mpiasa sy ny fandrahonana atao amin’izy ireo. Tsy tokony hisy anefa ny mpiasa voaroka fa tazomina avokoa, raha ny fampananantenana hatrany. Raha ny zava-misy kosa, miasa mafy ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’izao fiparitahan’ny valan’aretina izao ka tokony omen-danja. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ireto mpiasa ao amin’ny CHRR Ambatondrazaka ireto. Maniry ny hijerena akaiky izao raharaha izao izy ireo ary miandrandra vahaolona aingana.
Mampionontsoa Rajaonson
