Jeff Bezos : Niverina eo amin’ny laharana voalohany amin’ireo olona manan-karena indrindra eran-tany
Niverina eo amin’ny laharana voalohany, amin’ireo olona manan-karena indrindra eran-tany i Jeff Bezos, ilay namorona sy nanangana ny Amazon, araka ny navoakan’ny « index mondial des milliardaires » an’ny Bloomberg. Nisongona an’ny lehiben’ny Tesla sy ny SpaceX ary ny X,dia i Elon Musk ny tenany tao anatin’izany. Ny alatsinainy teo no nivoaka ity filaharana ity ary nahafantarana fa tafakatra hatrany amin’ny 200 tapitrisa dolara ny harenan’i Jeff Bezos ; raha toa ka 198 tapitrisa dolara ny teti-bidin’ny harenan’i Elon Musk. Ny filoha tale jeneralin’ny vondrona frantsay LVMH, Bernard Arnault ihany, kosa no eo amin’ny laharana fahatelo, ny harenany izay mitentina 197 tapitrisa dolara.
