ActualitésTsidika

Alasora : Efa manomboka ny « cours d’appui » ho an’ny mpanala ny fanadinana BEPC

Ny sabotsy 02 martsa teo no nanomboka ny fampianarana izay nokarakarain’ny kaominina Alasora ho an’ireo mpanala ny fanadinam-panjakana, ho an’ity taom-pianarana 20223-2024 ity. Ny mpanala ny fanadinana BEPC no nisantatra izany, araka ny voalaza.

« Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fanohanana sy fanatsarana ny voka-panadinana eto amin’ny ZAP Alasora. izany indrindra no hanolorana fampianarana maimaim-poana ho an’ny mpianatra. Ny tanjona dia ny fahombiazana ho an’ny taranaka » hoy ny avy tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Fotoana fanararaotana ny tahaka izao ho an’ny mpanala fanadinana. Amin’ny fampianarana tahaka izao no hanomezana izao teknika sy ny paik’ady enti-miatrika ny fanadinana, manampy ireo ratovina any an-tsekoly ka tsy tokony atao ambanin-javatra » hoy i Julie, mpampianatra.

Marihina fa ao amin’ny CEG Alasora ireo mpianatra hanala ny fanadinana BEPC no mianatra isaky ny sabotsy. Ao amin’ny Lycée TASC Alasora kosa ireo mpanala BACC sokajy A,C ,D,L,S,OSE

Laisser un commentaire