Talata Volonondry : Mampihaiky ny mpampiasa azy ny faharatsian’ny lalana
Mitariana ireo mpampiasa ny lalana ao Ambohitrolomahitsy, kaominina Talata Volonondry, mifampitohy amin’ny kaominina manodidina toa an’Alatsinainy bakaro, Sadabe, Andramasina sy Ambohimiadana noho ny faharatsian’ny lalana, indrindra amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao. Tsy tongan’ireo fiara lehibe intsony, hatramin’ny fiara tsy mataho-dalana, raha ny voalaza.
« Mampiteny ny moana raha ny faharatsian’ny lalana eto amintsika. Tsy mba misy tomponandraikitra afaka mijery na mitondra fanamboarana azy ireny nefa tena mijaly ny mponina. Ny vokatra tsy mivoaka, ny avy any ivelany tsy miditra kanefa miankina amin’izany ny fiveloman’ny mponina » hoy i Haja, mpitondra fiara vaventy.
« Efa an-taonany maro no tsy mba nisy nijery na nanao foto-drafitr’asa momba ny lalana teto amintsika kanefa ny lalana dia fototry ny fampandrosoana, raha tiana handroso dia ny lalana no tokony hamboarina voalohany ary tokony ho laharam-pahamehana ataon’ny tomponandraikitra izany » hoy i Lalao, mponina ao Talata Volonondry.
Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny faritra iray ny fanamboarana ny lalana ary tsy tokony atao ambanin-javatra izany. Ilaina ihany koa anefa ny fanentanana ny tsirairay mba ahay hikojakoja ny lalana satria foto-drafitr’asa apetraka ho an’ny fara mandimby izy ireny.
