SocialTatitra

Europe : Naneho ny hatezerany ireo mpamboly

Naneho ny hatezerany, nidina an-dalambe nanao fanakanan-dalana sy nitan-dahatra tamin’ireo fiara fampiasan’ny mpamboly (tracteurs) ireo mpamboly ao Europe, omaly. Nanomboka tao France ka hatrany Roumanie, nandalo amin’ny Allemagne sy Pays-bas, naneho ny tsy hafaliany sy ny ahiahiny izy ireo manoloana ny vidin’ny solika, ny fanajana ny fenitra ara-tontolo iainana ary ny fanafarana avy any Ukraine, manoloana ny famokarana any an-toerana. Miandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny tomponandraikitra, amin’ny alalan’ny vaomiera Eoropeana izy ireo araka izany mba hampitoniana izao toe-draharaha izao.

Laisser un commentaire