ActualitésTatitra

Corée du Sud : Hampirantiana ao Séoul ilay saribakoly lehibe tamin’ny « Squid Game »

Napetraka tao amin’ny valan-javaboahary olympika an’i Séoul nanomboka ny alatsinainy 25 oktobra teo ilay saribakoly mirefy 4 metatra tamin’ny horonantsary malaza « Squid Game ». Hampirantana ao an-toerana hatramin’ny 21 novambra io saribakoly io.Mahatratra 142 tapitrisa ny tokantrano nahita io horonantsary io maneran-tany, ary nampiakatra 4 tapitrisa ny mpanaraka Netflix ihany koa izy. Vao napetraka io saribakoly io dia efa maro be ireo olona, lehibe sy kely, tonga naka sary teo.

Laisser un commentaire