Royaume-Uni : Nahay nanararaotra ny lesoka hitany i Adam Twidell
Mpandraharaha tompon’ny « PrivatyFly » i Adam Twidell. Sehatra iraisam-pirenena famandrihana « jet » amin’ny Internet ny « PrivatyFly », niorina tamin’ny taona 2008. Mivelatra amina firenena 19 izy, Royaume-Uni izay ivony, Italie, Canada, Chine, République tchèque, France, Allemagne, Hongrie, Italie, Pays-Bas, Nouvelle-Zélande, Pologne, Qatar, Russie, Slovaquie, Espagne, Suisse, Émirats arabes unis ary États-Unis.Izy sy ny vadiny Carol Cork no niara-namorina io orinasa io raha ny fanazavany. Mpamory fiaramanidina tao amin’ny RAF (Royal Air Force) nandritra ny 10 taona izy ary efa namory « jet privé » tao amin’ny « NetJets » ihany koa. Ny traikefa azony tamin’ireo no nahitany ny lesoka raha ny fanazavany. Sarotra hoy izy nefa lafo ary tsy mandaitra ny famandriana « Jet », izany no nisarika azy nanokatra ny « PrivatyFly ».
