Fahasimbàn’ny lalana RN2.
29 Oktobra, 11h00. Nanomboka ny alakamisy 28 oktobra dia misedra olana ny lalam-pirenena faharoa (RN2) izay mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo. Noho izany mafy ny fitohanana aterak’izany ka voatery nasiana “déviation” eo amin’ny toerana antsoina hoe Ampasimadinika. Marina fa ireo fiara kely sy ny Taksibrosy ihany no afaka fa mihitsoka kosa ireo fiara be mpitondra entana. Eo amin’ny PK55 miala an’i Toamasina no misy ity fahatapahan-dalana ity, ka miantso ny tompon’andraikitra sy ny fitondram-panjakàna.
