Lozam-pifamoivoizana teny Imerintsiatosika
29 Oktobra, 14h00. Moto iray no nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka marika Mazda teny Imeritsiatosika. Raha ny fitantaran’ny nanatri-maso dia sady niherika tany aoriana ilay moto no nangalatra ny hitsin’ilay Mazda nifanena taminy, antony nahatonga ny fifandonana. Tsy nisy ny aina nafoy, tsy nisy naninona ihany koa ny tao anaty fiara fa ilay mpitondra moto no naratra ka voatery namonjy toeram-pitsaboana.
