Dahalo telo no voasambotra
04 Jona, 12h00. Dahalo telo tamin’ireo namono miaramila sy nanafika tanàna tao benonoka no voasambotra.Tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao Benonoky izy ireo ary tratran’ny miaramila tao Namahora kaominina Ranomena, omaly 3 jona 2021. Nahatratrarana « Grenady » iray ary bala maromaro tany amin’izy ireo niaraka tamin’ny rongony. Fantatra ihany koa fa isan’ny tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo miaramila nandritra ny fanafihana ny iray tamin’izy ireo.
