Fitaterana an-tanety
28 Aprily, 09h00. Tapaka nandritran’ny fivoriana niarahan’ireo mpitatitra entana sy ny ATT, ny Ministera, ny DGSR ary ny mpitantana ny tobim-piantsonana MAKI, omaly talata 27 aprily 2021, fa avondrona ao anatin’ny gara Andohatapenaka daholo ny fiaingan’ireo fiara mpitatitra entana rehetra, manomboka ny zoma 30 aprily 2021 ho avy izao. Ireo mpitatitra entana amin’ny lalam-pirenena 1, 2, 4, 6, 5 ary faha 44 no voakasik’izany. Fandaminana vaovao napetraka ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra mihatra.
