Renim-pianakaviana iray sy ny zanany kely no natelin’ny ranon’Alaotra.
29 Aprily, 10h30. Lakana iray nitondra olona avy ao Ambohidava andeha hiampita ho any Anororo no nivadika tao amin’ny farihin’Alaotra ny harivan’ny Alarobia 28 Aprily teo. Araka ny loharanom-baovao dia olona dimy no nandeha tamin’ny lakana, avotra soamantsara ny telo (03) tamin’izy ireo ary mbola karohina ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany kely amin’izao fotoana izao.
