MISAONA NY FIANAKAVIAMBEN’NY POLISIM- PIRENENA MALAGASY
29 Aprily, 11h15. Nodimandry ny controleur general de police RAKOTONDRAZAKA Arsène, minisitra teo aloha. Ray aman-dreny nitana andraikitra maro teo anivon’ny Polisim-pirenena ny tenany ka isan’izany ny naha Minisitra azy ny taona 2011 hatramin’ny taona 2014
Fa iza moa ny CONTROLEUR GENERAL DE POLICE RAKOTONDRAZAKA Arsène? Teraka tamin’ny taona 1952 tany IARINORO Tsarasaotra Ambositra . Manambady ary niteraka telo. Ny 18 may 1980 no nidirany tao amin’ny Polisim-pirenena grade Commissaire de Police.
Toy izao manaraka izao ny fizotry ny fiainany tato amin’ny Polisim-pirenena malagasy :
1983: Commissaire de Police
1995: Commissaire Principal de Police
1999: Commissaire Divisionnaire de Police
2004: Contrôleur Général de Police
Ny taona 2001 izy no lasa « Directeur Inter régional de la Sécurité Publique » Fianarantsoa
Ny taona 2008 dia voatendry ho Directeur des Renseignements et du Contrôle de l’Immigration au Secrétariat d’Etat auprès du Ministère de l’intérieur Chargé de la Sécurité Publique. .
Efa nanaraka fiofanana maro mahakasika ny asan’ny Polisy izy tany amin’ireo firenen-dehibe toy ny tany Frantsa sy Etazonia ary mampiavaka azy ny fananany mari-pahaizana manokana mahakasika ny Angom-baovao
