Hain-trano niseho teny Ambohitrarahaba sy Anosibe
28 Aprily, 08h00. Hain-trano goavana niseho androany tokony tamin’ny 1ora 50mn maraina teo, tetsy Ambohitrarahaba ampitan’ny Nooro Tower. Tsy tao ny tompon-trano nandritr’io fahamaizana io. Vokatr’izay, rotikin’ny afo ny fananana. Nitrangana hain-trano ihany koa tetsy Anosibe Andrefana II androany maraina tokony ho tamin’ny 5 ora mahery teo. Labozia nirehitra ambon’ny latabatra no nahatonga ny loza. Vokany , raim-pianakaviana iray no maty may kilan’ny afo tao amin’ilay trano.
