Dépêches

Fokontany Volosarika : Nidina an-dalambe hanongana ny filoham-pokotany ny mponina

18 Aogositra, 19h00,Naneho ny tsy fankasitrahana ireo mponina ao amin’ny fokontany Volosarika ny marainan’ny 18 aogositra teo ka nihidina nitondra sora-baventy manerana ny arabe tao an-toerana. Tsy mankasitra ary tsy manaiky ny fametrahana ny filoha vaovao izay notendren’ny distrika, sy ny fanalana tamin’ny toerana ny filoham-pokotany teo aloha no anton’izany. Mangataka ny hisafidy izay ho filohan’ny fokotaniny izy ireo.

Laisser un commentaire